John 14

1“Aza avela hangorohoro ny fonareo. Mino an’Andriamanitra ianareo, dia minoa Ahy koa. 2Misy efitra maro ao an-tranon’ny Raiko. Raha toa ka tsy izany, dia efa niteny taminareo Aho, fa hanomana toerana ho anareo. 3Raha handeha Aho ary hanomana toerana ho anareo, dia hiverina indray Aho ary handray anareo ato Amiko, ka izay misy Ahy dia hisy anareo koa.

4Ianareo mahalala izay alehako.” 5Hoy Tomasy tamin’i Jesosy hoe: “Tompo, tsy fantatray izay alehanao, ahoana no hahafantaranay ny lalana?” 6Hoy Jesosy taminy hoe: “Izaho no lalana, fahamarinana, ary fiainana; tsy misy manatona ny Ray raha tsy amin’ny alalako. 7Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia tokony ho nahafantatra ny Raiko koa. Manomboka izao dia fantatrareo Izy ary efa hitanareo.”

8Hoy Filipo tamin’i Jesosy hoe: “Tompo, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izany.” 9Hoy Jesosy taminy hoe: “Efa hatry ny ela no niarahako taminareo dia mbola tsy fantatrareo foana ve Aho, ry Filipo? Na iza na iza nahita Ahy dia nahita ny Ray. Koa ahoana no hitenenanao hoe: ‘Asehoy anay ny Ray’?

10Tsy mino ve ianareo fa ao amin’ny Ray Aho ary ny Ray ato amiko? Ireo teny izay lazaiko aminareo dia tsy lazaiko avy amin’ny fahefako manokana, fa ilay Ray velona ato anatiko no manao ny asany. 11Minoa Ahy fa Izaho dia ao amin’ny Ray, ary ny Ray ato amiko, raha tsy izany dia minoa noho ireo asa manokana.

12Lazaiko aminareo, marina, dia marina tokoa, izay mino Ahy dia hanao ny asa izay ataoko, ary hanao asa lehibe mihoatra noho ireny izy satria ho any amin’ny Ray Aho. 13Na inona na inona angatahinareo amin’ny Anarako, dia tanterahiko izany mba hanomezam-boninahitra ny Ray ao amin’ny Zanaka. 14Raha mangataka zavatra amin’ny anarako ianareo, dia ho tanterahiko izany.

15Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ireo didiko, 16ary hivavaka amin’ny Ray Aho, dia hanome anareo Mpampahery hafa Izy mba ho eo aminareo mandrakizay izy— 17ny Fanahin’ny fahamarinana. Tsy afaka mandray Azy izao tontolo izao satria tsy mahita na mahafantatra Azy. Fa ianareo kosa mahalala Azy, satria mitoetra miaraka aminareo Izy ary ho ao anatinareo.

18Tsy hamela anareo ho irery Aho; mbola hiverina aty aminareo Aho. 19Afaka fotoana vitsy monja dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao, fa ianareo mahita Ahy. Satria velona Aho, dia ho velona ihany koa ianareo. 20Ary amin’izay andro izay dia ho fantatrareo fa ao amin’ny Raiko Aho, ary ianareo ato Amiko, ary Izaho ao aminareo.

21Izay manana ireo didiko ka mitandrina ireny dia izy ilay tia Ahy, ary izay tia Ahy dia ho tiavin’ny Raiko koa, ary Izaho hitia azy sy hiseho aminareo.” 22Hoy Jodasy (tsy Iskariota) tamin’i Jesosy hoe: “Tompo, nahoana ianao no hiseho aminay fa tsy amin’izao tontolo izao?”

23Jesosy namaly ary nilaza taminy hoe: “Raha misy olona tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy. Hitia azy ny Raiko, ary ho avy aminy Izahay ary hanamboatra ny fitoeranay miaraka aminy. 24Fa izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko. Ny teny izay renareo dia tsy avy amiko fa avy amin’ny Ray izay naniraka Ahy.

25Efa noteneniko taminareo ireo zavatra ireo, raha mbola nijanona niaraka taminareo Aho. 26Kanefa, ilay Mpampahery—ilay Fanahy Masina, izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako_ izy no hampianatra anareo ny zava-drehetra sy hampatsiahy izay rehetra nolazaiko taminareo. 27Fiadanana no avelako ho anareo; omeko anareo ny fiadanako. Tsy omeko ohatran’ny fanomen’izao tontolo izao izany. Aza avela hangorohoro ny fonareo, ary aza matahotra.

28Efa renareo Aho niteny taminareo hoe: ‘Andeha Aho, ary hiverina any aminareo indray.’ Raha nitia Ahy ianareo, dia tokony hiravoravo satria hankany amin’ny Ray Aho, satria ny Ray dia lehibe kokoa noho Izaho. 29Ary noteneniko anareo dieny mbola tsy mitranga izany, mba hino ianareo, rehefa mitranga izany. 30Tsy hilaza betsaka aminareo intsony Aho, fa efa ho avy ny mpanapaka izao tontolo izao. Tsy manana fahefana Amiko izy, fa mba hahafantaran’izao tontolo izao fa tiako ny Ray, dia ataoko tahaka ny nandidian’ny Ray Ahy. Andeha hitsangana isika ary hiala ety.”

31

Copyright information for PltULB